Entrée | 1 Ianareo ... izahay |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Rakotomalala Henri |
Texte complet |
5 Ianareo rorampison' Angavokely, 6 Izahay erikerik'Ankaratra, 7 Ka na tsy tondraka aza, 8 Mahavonto tany! 9 Ianareo mafikely lava taho, 10 Izahay vonin'avoko malefolefo; 11 Raha jejo loha ny any, 12 Izahay kely ihany fa mamerovero. 13 Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay 14 Fa manana sakay tsara fefy; 15 Ary tsy mitomany volo oly 16 Fa manana mpandrandrana mahay. 17 Koa aza fady, Raondriana, 18 Fa raha safomorona ny fampitambazana, 19 Ny anay efa nitobaka ela; 20 Raha ritra ny rano tan-dobo, 21 Ny anay efa tsisy tavela. 22 Ny farihy tankina, hono, 23 Ny fotoka no manjaka; 24 Fa ny loharano an-dohasaha kosa, 25 Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka! 26 Koa kopa-damba malefaka no ataoko, 27 Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo, 28 Izahay voromanga mahay mihira, 29 Ka zato sy arivo manao " midira " 30 Na ny eto akaiky na an-dakira! 31 ..................... 32 Ianareo haba ihaingoan'ny jefy, 33 Izahay volamena tsy mety lefy! 34 ..................... 35 Koa samia masina an-taniny, 36 Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra, 37 Izahay diamondra soa hazavana. 38 Koa veloma mahalankalana, Rasena, 39 Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo, 40 Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena ! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |